Toekarena

Fadin-tseranana Nampahafantarina ireo lalàna vaovao


  • Talata 23 Janoary 2018

Omaly no natao tetsy amin’ny tranoben’ny Varotra sy Indostria ny fampahafantarana ny lalàna vaovao sy ny lalàna nasiam-panitsiana momba ny fadin-tseranana.

 Ny Tale jeneralin’ny fadin-tseranana, Eric Narivony Rabenja no nitondra ny famelabelarana natrehan’ireo solontenan’ny orinasa miankina sy tsy miankina amin`ny fanjakana. Ny tanjona dia ny ahafahan`ny mpiasa ato amin`ny fadin-tseranana miasa an-kalalahana tsy misy sembantsembana amin`ny fanamarinana rehetra tokony hatao, hoy ity farany. Ohatra amin`izany ny fakàna mialoha ny lisitry ny mpandeha fiaramanidina mba hanamora ny fanaraha-maso rehetra tokony hatao amin`ny entana, eo ihany koa ny fidinana ifotony eny amin`ireny tobin-tsolitany lehibe (entrepot) ireny izay tsy mbola natao hatramin`izay teto amintsika. Ampahany ihany koa ny sazy omena ho an’izay tsy manome taratasy angatahana na tara amin’ny fandefasana izany nefa tsy misy fanazavana. Lasa 200.000 Ariary isaky ny fahatarana izany raha 1000 Ariary monja tamin’ny taon-dasa. Atao izany mba hanamorana ny fomba fiasa, indrindra ho an’ireo manara-dalàna ary koa hiadivana amin’ny fifaninanana tsy ara-drariny sy ny sehatra tsy ara-dalàna. Mitohy ny hetsika ka ny ao amin’ny sampandraharahan’ny hetra indray no hitondra ny fanazavana  anio.

Tsiry

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT