Toekarena

Fadin-tseranana 600 miliara Ariary no very tanatin’ny 3 taona


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2019

600 miliara Ariary ny vola very teny amin’ny fadin-tseranana tao anatin’ny 3 taona noho ny kolikoly sy ny halatra maro, hoy ny praiminisitra Ntsay Christian nandritra ny famoahana ny Inspecteurs de douanes miisa 30 mianadahy tamin’ny faran’ny herinandro teo.

 

 Matetika dia halaim-panahy ny ankamaroan’ny mpiasa misehatra eny amin’ny fadin-tseranana ary nanambara mihitsy ny minisitry ny toekarena sy ny tetibola, Richard Randriamandranto fa ho hentitra ary misy ny sazy henjana mifanaraka amin’ny lalàna amin’ireo izay mbola tratra manao kolikoly. Saropady ny andraikitra iantsorohan’ny Inspecteur de douanes ary ny ankamaroan’ny maro manao fifaninanana hiditra amin’izany aza dia mieritreritra sahady ny vola be azo amin’izay mety ho fangalarana sy fanaovana kolikoly. Tsy mora ny andraikitra miandry ary maro ny sedra sy ny famandrihana ary ireo fakam-panahy maro hahazo ireo mpiasa vaovao ireo saingy azo toherina izany rehefa ao ny fitiavana ny tanindrazana.

 

Tsirinasolo

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT