Toekarena

Etona mangeja hafanana Tokony hidina ambanin’ny 14%


  • Alarobia 17 Aprily 2019

Nanatanteraka atrikasa fiofanana mahakasika ny fandrefesana etona mangeja hafanana (gaz à effet de serre) tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina ny Birao Nasionaly Mpandrindra ny REDD+ omaly talata 16 aprily. Haharita 3 andro izy io ary tanjona ny handinihana sy hifampizarana ny famolavolana ny tatitra mba ahafahana manatontosa ny fanamarinana ireo tarehimarika efa azo eo amin’ny sehatry ny ala, ny fiompiana ary ireo hafa manodidina ny etona mangeja hafanana.

 

Araka izany dia atrikasa hanatsara ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina eto Madagasikara no tontosaina mba ho marina tsara ary ampiasaina amin’ny tokony ho izy ireo tahirin-kevitra ananana eo am-pelatanana. Misy ireo mpampiofana matihanina mba hahatrarana ny fahaiza-manao amin’ireo tahirin-kevitra rehetra ilaina ireo. Nankato ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fiovaovan’ny toetrandro i Madagasikara ka tsy maintsy hanao ny tatitra momba io etona io. Izany no anton’ny fiaraha-miasa amin’ny Intergovernemental Panel on Climate Change (IPCC) izay manome ny toromarika rehetra. Tombony amin’ity atrikasa ity ihany koa ny fifampizarana avy amin’ireo teknisianina ny amin’ny fampiasana ny rindram-baiko ALU izay ahafahana mizara ny vokatra azo amin’ny fandrefesana ny etona mangeja hafanana. Mandoto ny rivotra ary manimba ny tontolo iainana io etona io ka tsy maintsy hatao izay hampihenana azy ho latsaka ambany dia ambany, hoy ny tompon’andraikitra.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT