Notanterahina omaly tetsy amin’ny Tranoben’ny Varotra sy ny Indostria ny fivoriambe tsy ara-potoanan’ny FIV.MPA.MA izay notarihin’ny filohany Erick Rajaonary.
Dimy taona mahery izay no tsy niova ny sata mifehy ny FIV.MPA.MA kanefa efa mivelatra izy ireo eto an-toerana sy any ivelany. Anisan’ny zavatra novaina tamin’ity sata ity ny momba ny zon’ireo mpikambana any ivelany mifidy amin’ny fifidianana rehefa amin’ny fivoriambe ary ananan’izy ireo vato iray. Hatramin’izay dia ny mpandraharaha eto an-toerana ihany no manatanteraka izany kanefa noho ity sata vaovao ity dia mizara ny andraikitra ka manamora ny asa miandry. Tanjona ny fametrahana ny FIV.MPA.MA isam-paritra sy ny any ivelany ka hampafantarina amin’izy ireo ny tanjona sy ny tombotsoan’ny mpikambana ary hohamafisina ny fifandraisanan’ny samy eto an-toerana sy ny eto an-toerana sy ny any ivelany. Amin’izany indrindra no hametrahana ilay tambajotra “plate forme numérique”ahafahan’ny mpikambana rehetra miserasera ary mitady ny ho mety zavatra ilainy amin’ny fandraharahana ataony.
Mbola maro ny olana
Matanjaka be ny sehatra tsy ara-dalàna ary tsy mbola misy politika mazava ataon’ny fanjakana manoloana ny fahamaroan’izy ireny izay manamafy ny fifaninanana tsy ara-drariny izay mbola tokony hiadiana. Mbola maro ny olona mampiditra entana tsy mandoa hetra sy fadin-tseranana ka mahatonga ny mpandraharaha Malagasy malemy ary tsy afaka mifaninana. Ny firoboroboan’ny entana avy any ivelany ihany koa dia sakana satria mora vidy nefa misy tsara kalitao ihany saingy mivarotra mora izy ireo noho ny fahambanian’ny zana-bola any aminy nahafahany namokatra ny entany. Mifanohitra amin’izay mantsy ny eto amintsika satria lafobe ny zanabola eny amin’ny banky, manginy fotsiny ny halafosan’ny saran’ny jiro sy rano, fidinan’ny sandam-bola Ariary isan’andro manoloana ireo vola vahiny. Manoloana izany anefa dia tsy misy ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana fa avela manjaka ny vahiny ary mihapotika isan’andro ny fandraharahana Malagasy, hoy hatrany Andriamatoa Erick Rajaonary namarana ny teniny.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.