Toekarena

Erick Rajaonary Nanatrika ny fivorian’ny AUF tany Montréal


  • Zoma 25 Mey 2018

Anisan’ireo vahiny manan-kaja nanatrika ny fivorian’ny AUF ( Agence Universitaire de la Francophonie) tany Montreal – Canada Atoa Erick Rajaonary filoha tale jeneralin’ny Guanomad amin’ny maha mpikambana azy ao amin’ilay komity mpandrindra ny paikady na Comité d’Orientation Stratégique (COS) ao amin’ity fikambanana iray ity.

Ny volana desambra 2016 moa izy no voatendry tamin’io toerana io noho ny fahatokisan’ny AUF azy. Tanjon’ny AUF ny hanatsara hatrany ny fampiofanana sy ny fikarohana ary ny fitantanana, eo ihany koa ny fanampiana ireo mpikambana ao aminy mahazo maripahaizana mba hahita ny asa mendrika azy. Karazana vondrona mpandinika sy mpikaroka hevitra ny COS mba hanatsarana ny fifandraisan’ny mpianatra, manampahaizana amin’ny tontolon’ny asa. Mazava ho azy fa eo amin’ny sehatra frankofona no hanaovana izany asa rehetra izany. Taorian’io diany tany Canada io dia fantatra fa mihaona sy mifanakalo hevitra amin’ireo sampan’ny FIVMPAMA (FIVondronan’ny MPAndraharaha Malagasy) any Eoropa i Erick Rajaonary mba hijerena hatrany ny handraisan’ny Malagasy anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena n’aiza n’aiza misy azy ireo.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT