Sady mampalahelo no tsy manome traikefa ny zava-misy maneran-tany ankehitriny, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika, Leader Fanilo, tarihin’ny filohany Jean Max Rakotomamonjy, Eric Rabeharisoa.
Taona maty no azo ilazana ny taona 2020. Te iresaka kely ny momba ny toekarena aho, hoy izy. Nisy fanambarana maro tato ho ato nataon’ireo mpandraharaha, indrindra, ny resaka harena an-kibon’ny tany. Mitaraina izy ireo. Eo ny mbola tsy famoahana fahazoan-dalana hitrandraka. Fantantsika fa an-taonany maro io no nikatso. Azontsika tenenina fa marika fa hoe toy ny tsy vonona isintona ny mpandraharaha avy any ivelany isika hitondra traikefa eto noho io. Mitady vola ny fanjakana Malagasy dia mazava ho azy fa isan’ny sehatra ahazoana izany ny harena an-kibon’ny tany. Miresaka isika sata vaovao mifehy ny fitrandrahana izay azo tenenina hoe mamono toekarena satria ireo olona ireo fantantsika fa manana ny safidiny maneran-tany hoe any Tanzania, Mozambika, Angola, Australia, Kanada no afaka mametraka ny petra-bolany. Isika anefa misintona ireo olona ireo hanao izany eto Madagasikara. Tokony izany isika hiseho mazava hoe tany azo itokisana amin’ny lafiny toekarena hametrahana petrabola eto. Voa mafy koa izao ny fizahantany satria Madagasikara amin’ny maha nosy azy dia miantehitra amin’ny fahatongavan’ny mpizahantany avy any ivelany. Ireo firenena misy mpizahantany mandalo eto toa an’i Frantsa, Alemaina, Italia dia mikatona avokoa fa tsy vitan’ny hoe isika fotsiny. Sarotra ny mamerina ireny na inona atao. Izay no mahatonga ahy hiresaka ilay harena an-kibon’ny tany satria tokony mitady lalan-kafa haingana isika. Sarotra amin’ny fanjakana ny manazava ny fiakaran’ny vidim-bokatra eto ankehitriny. Mihena ny famokarana dia mihena koa ny sandam-bola. Tsy azo adino koa fa ireo orinasa lehibe toa an’i QMM sy Ambatovy dia anisany mamatsy ireny sanda na “devise” ireny dia tsy afa-miasa araka ny fahafahany mampiankatra ny harinkarena eto. Tokony hamory ny hery rehetra, noho izany, hoy hatrany izy ny filoham-pirenena, hijery ny hahafahana manampy ireo orinasa ireo sy ny hivoahana amin’izao olana izao. Tsy tokony ho mpanohitra sy mpanohana intsony no resaka izao fa Malagasy, hoy izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.