Handray anjara voalohany amin’ilay hetsika maneran-tany “Entrepreneurship World Cup” momba ny fandraharahana i Madagasikara amin’ity taona 2019 ity.
Hotanterahina eto Antananarivo izany ny 13 jolay ho avy izao ary ny 100startups.co no hikarakara azy. Fifaninanana famolavolana tetikasa hananganana orinasa izy io. Efa nanomboka ny 25 aprily ary tapitra ny 30 mey lasa teo ny fandraisana ny tetikasa. Hisy mihitsy ireo mpitsara izay mpandraharaha matihanina ka ny voalohany dia handeha hisolotena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana maneran-tany any Riyadh amin’ny novambra ho avy izao. Rehefa izay dia hiditra ofisialy amin’ilay fikambanana GEN Starters izay ahafahana mifanakalo hevitra amin’ireo mpandraharaha matihanina manerana izao tontolo izao ny solontena Malagasy ary afaka mitady lalana ny amin’ny fanatanterahana ny tetikasa. 124 eo ireo manana tetikasa handray anjara sy hotsaraina amin’ity fifaninanana edisiona voalohany eto Madagasikara ity. Ilaina ny hetsika sahala amin’itony satria hanome tombony sy vahana ary tena hampiroborobo ny sehatra tsy miankina. Hivelatra ihany koa ny fandraharahana Malagasy satria iraisam-pirenena ny hetsika hatao ka ho fantatra i Madagasikara. Hisy ny famoronan’asa ho teraka aorian’ny hetsika ary hisy akony amin’ny toekarena izany, indrindra raha azon’ny Malagasy ny amboara.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.