Toekarena

Entona fandrehitra Naidina 5% ny TVA, 9% ho an’ny vidin’ny tavoahangy


  • Alarobia 18 Novambra 2020

Tontosa ny 16 novambra ny dinika teo amin’ireo mpandraharaha mivondrona

 

 

 

anatin’ny Comité Malgache du Butane sy ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy (MEDD) mahakasika ny fampidinana ny hetra amin’ny fanafarana sy ny fivarotana ny “butane” eto Madagasikara. Ny tanjona fototra amin’izany dia ny ahafahan’ny tokatrano malagasy manjifa ity angovo madio ity ary hampihena ny fanimbana ny ala noho ny fampiasana ny arina sy ny kitay. Rehefa nodinihana ny fiakaran’ny vidin’ny arina amin’izao fotoana izao, dia mora kokoa ny gaz. Etsy andaniny anefa dia mampihena ny fahalotoan’ny rivotra ihany koa ny fampiasan’ny isan-tokatrano ny gaz. Tapaka ary fa hidina ho 5% ny TVA amin’ny “gaz” raha 20% izany teo aloha, ny vidin’ny tavoahangy iray amin’ny “gaz” dia hidina 9% ary ireo kojakoja miaraka aminy ho lasa 20 000 ariary raha 105 000 ariary teo aloha. Dingana lehibe izao mba hizorantsika miala amin’ny fampiasana ny arina sy kitay mankany amin’ny angovo madio. Maro ireo angovo azo asolo ny kitay sy ny arina, anjarantsika kosa no mampiroborobo azy ireny mba hanafoanantsika ny fanimbana ny ala ka hahatonga an’i Madagasikara ho maitso indray, hoy ny avy amin’ny MEDD.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT