Toekarena

Entana vokarin’ny Tiko AAA Ifandrombahana eny amin’ny mpivarotra


  • Alatsinainy 29 Janoary 2018

Tsikaritra ny faran’ny herinandro teo fa nifandrombahana teny amin’ny mpivarotra ny vokatry ny orinasa Tiko AAA na ny épicerie tsotra na ireo toeram-pivarotana lehibe (grandes surfaces) eto Antananarivo.

Ny yaourt no tena be mpitady, fa teo ihany koa ny dibera sy ny zava-pisotro Classiko.  « Aleo manangona dieny izao satria tena ankafizinay ao an-trano ilay izy, indrindra fa ny ankizy no sady hita hoe tsara kalitao. Renay mantsy fa hoe nakatona ny ozinina any Antsirabe, ka aleo manangona”, hoy ny raim-pianakaviana iray raha nanontaniana. Maro tokoa ny karazana vokatra azo avy amin’ny ronono mitobaka eny amin’ny toeram-pivarotana. Hita ho tena mbola manana ny toerany tsy azo hamaivanina mihitsy anefa ny vokatra « Tiko AAA » noho io hatsaran’ny kalitaony hatramin’izay ka hatramin’izao io. Tena mandeha ny tsena, ary aleo tsorina mihitsy fa tsy maharaka aza ny entana alainay, hoy ny mpivarotra iray eny Itaosy. Tsikaritra ihany koa fa tena ny olona anatin’ny sokajim-piarahamonina rehetra no mividy ny vokatry ny « Tiko AAA » fa tsy sokajin’olona voafetra.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT