Toekarena

Entana avy any Sina mihitsoka Mpandraharaha madinika 200 mitaraina


  • Talata 21 Febroary 2023

Miisa 200 ireo mbola tsy nahazo ny entany Mihitsoka ny volanay, sahirana izahay nefa mamelom-bady aman-janaka avokoa.

Izany no toloko sy tarainan’ireo mpanafatra entana madinika avy any Sina miisa 200 niresaka sy nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly. Efa ho 7 volana mantsy izao no tsy navoakan’ilay orinasa mpanelanelana ny entan’izy ireo na dia efa nanaiky azy ireto farany taorian’ny nandraisany taratasy avy amin’ny Fitondram-panjakana fa tokony hamoaka ireo entan’olona ireo. Raha tsiahivina kely moa ny tantara dia anisan’ny antony niteraka izany ny olana nisy teo amin’ity orinasa mpanelanelana ity sy ny fadin-tseranana. Mangatak’andro hatrany araka izany itsy voalohany ary tsy mbola nahita vahaolana mihitsy hatreto. Nilaza moa ireto mpanafatra entana madinika ireto fa hanao hetsika fitakiana goavana izy ireo raha sanatria ka mbola tsy voavaha ny olana ato anatin’ny fotoana vitsy. Tsiahivina moa fa saika kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny finday, akanjo, kiraro….ny ankamaroan’ireo entana mihitsoka ireo.
Pati
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT