EKIPAN’NY ODOF

Maka traikefa any Maroc


  • Talata 23 Aprily 2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Feno ny fandaharam-potoanan’ny delegasionan’ny ODOF (One District One Factory) mandritra ny fivahinianany any an-toerana. Nisy ny fihaonany tamin'ny tompon'andraikitra sasany teo anivon'ny Ministeran'ny Indostria sy ny Varotra any Maroc tao Rabbat. Nandritra izany no nifampizarana paikady hampiroboroboana ny indostria. Voaresaka ihany koa ny momba ny lalam-barotra. Nihaona tamin'ny mpitantana sasany ao amin’ny Région Tanger Tétouane AL Hoceima ny delegasiona. Nasian-teny nandritra izany ny fifandrindran'ny fanatanterahana ny fandaharan'asan'ny Ministera foibe sy ny politikam-pampandroasoana eo anivon'ny Faritra mahakasika ny fampiroboroboana ny indostria. Ny 10 Avrily 2024 lasa teo moa no niala teto Madagasikara ka nihazo an’i Maroc ity delegasionan’ny ODOF tarihin’ny Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny indostria (DGI) Njiva Rakotoarivonona ity. Maharitra roa herinandro ny dian’izy ireo. Nanome tanana ka nahatontosa izao fifanakalozana traikefa izao ny Banky Afrikana momba ny fampandrosoana (BAD) tamin’ny alalan’ny Tetikasa Fanohanana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny sehatra ara-bola (PAISF).
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT