Toekarena

Edgard Razafindravahy « Hametrahana Parc industriel ao Ambatolampy »


  • Alarobia 16 Febroary 2022

Mitety faritra, midina ifotony, nandrisika ny mpandraharaha hiroso lalina kokoa ny Minisitra ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy.

 Nidina ifotony tany Ambatolampy toerana isan’ny iodinan’ny famokarana amin’ny endriny maro. Manana vokatra mampiavaka azy ny Distrikan'Ambatolampy tahaka ny fiompiana vorona matavy, ny fanamboarana vilany, ny fambolena Vary, ny ovy... Nisy ny fihaonany tamin'ireo Ben'ny tanàna, ny mpandraharaha, ny tantsaha omaly maraina. Nivoitra tamin’izany ny hanampiana amin'ny fanodinana ny vokatra ny fametrahana ny "parc industriel" any an-toerana. Efa vonona avokoa ny antontan-taratasy rehetra hametrahana izany, hoy ny fanazavana. Misy moa ilay vina sy fandaharan’asa ODOF (One District One Factory) izany hoe: ny distrika iray tokony hisy indostria iray farafahakeliny, izay irariana ho tonga amin’izany sy hihoatra lavitra aza satria tsy ny famokarana sy ny fanodinana ato anatiny no vahaolana ho an’i Madagasikara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT