Ho fiantohana ny fiandrianan` ny vola ariary sy hanatratrarana ny tanjona apetraka amin`ny fampidirana vola no antom-piasian` ny tetikasa e-Ariary.
Natao ity programa ity mba ho fiarovana ny sandam-bola Malagasy, hifehy ny fiparitahan` ny vola amin` ny firenen-kafa (circulation fiduciaire), hiaro sy hanamafy ny atao hoe “système national de paiement”, araka ny fampitam-baovao avy amin` ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM). Ny tetik'asa dia mikendry ny hametraka amin'ny besinimaro, ankoatry ny taratasim-bola, ny fomba fandoavam-bola azo antoka, mora ampiharina, azon` ny rehetra, sy hampitovy lanja ny faritra rehetra, ary maneho ny tombony atolotry ny vahaolana fandoavam-bola tsy miankina, no sady misitraka ny fifehezana sy fanaraha-maso amin` ny « autorité monétaire ».Manoloana izany, nandefa antso tolo-bidy ho an' izay orinasa na “consortium” hisahana ny fifanarahana amin'ny tetikasa "e-Ariary" ny BFM.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.