Toekarena

Durlin Retogniane “Mandohalika ny fizahantany ka tokony hifantohan’ny fitondrana”


  • Talata 10 Mey 2022

Ilaina ankehitriny, hoy ny manam-pahaizana momba ny fizahantany, Durlin Retogniane, ny manarina ny fizahantany anatiny satria vao afaka krizy isika dia sarotra ny hanome tolotra avy hatrany ireo mpizahatany avy any ivelany

fa moramora kokoa ny manomboka mikarakara ny fizahantany ato anatiny. Ilaina, hoy izy, ny mametraka fepetra hanalana ny tahotr’ireo mpizahantany rehetra na avy anatiny na ivelany. Tsy maintsy apetraka koa anefa ny stratejia hanokafana ny sinina rehetra afaka mifampiraharaha amin’I Madagasikara. Na dia sarotsarotra aza ny fifampiraharahana amin’ireo tompona kaompaniam-pitaterana ana habakabaka mikasika ny fepetra apetrantsika eto Madagasikara dia tokony jerena ihany hoe iza amin’ireo kaompania ireo no mifanaraka amin’ny filantsika? Isika no tokony hametraka fepetra fa tsy ny tompon’ny kaompania. Tokony fantarina, ohatra, hoe iza no firenena mpitsidika indrindra an’I Madagasikara dia amin’ireny no tokony sokafana ny fifandraisana ana habakabaka. Hamoraina ny fitaterana ny mpizahantany any. Mila apetraka koa ireo fotodrafitrasa isan-karazany mampiroborobo izay fizahantany eto Madagasikara izay. Raha hiazakazaka hanatratra an’I Maorisy izay mahangona hatrany amin’ny mpizahantany 1.300.000 isa isan-taona isika dia mila manamafy ny fotodrafitrasa eny amin’ny seranana na “infrastructure aéroportuaire” satria mbola 350.000 isa eo izao ny mpizahantany tonga eto. Tsy mahazaka Airbus miisa 10 indray mandeha angamba izao raha Ivato fotsiny no resahana. Mila fanamboarana koa ny seranantsambo satria misy amin’ireo mpizahantany ireo koa no mety handeha sambo. Voakasik’izay i Morondava, Taolagnaro, Sainte Marie, Nosy be sy ny hafa. Tokony hifantoka betsaka amina fotodrafitrasa miompana amin’ny fizahantany ny fanjakana satria tena mandohalika io nefa sady tokony hampidi-bola ho an’ny fanjakana no mamorona asa maro, hoy hatrany ny tenany, saingy ny finiavan’ny fitondrana hanao izany mihitsy hatreto no tsy hita nefa io tokony hifantohan’ny ezaka.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT