Toekarena

Drafitra Marshall Tsy hita ao ny tena laharam-pahamehana


  • Alatsinainy 22 Jona 2020

Tsy tokony haka tahaka be fahatany ny any ivelany ny fitondram-panjakana tamin’ny famolavolana ny drafi-panarenana ara-toekarena « plan Marshall » hoy ny loholon’i Madagasikara Rafidiarison Remi,

 

 

Filohan’ny kaomision’ny Tetibola sy ny Toekarena ary ny teti-pivoarana. Raha ara-tantara mantsy dia drafitra nampiasain’ny firenena Amerikana nampindramam-bola ny firenena eoropeana potiky ny ady lehibe faharoa ny plan marshal. Tamin’izany anefa dia nametraka fepetra ny amerikana ny amin’ny tsy maintsy hividianana ny akora fototra any aminy. Araka izany dia niankina tamin’ny zava-misy mihitsy sy ny laharam-pahamehana mihitsy no nanaovana io drafitra io tany Amerika. Amin’izao fotoana izao dia nanokana 1043 miliara Ar ny fitondram-panjakana izay mitodika bebe kokoa amin’ny fanaovana foto-drafitrasa tahaka ny lalana sy ny hopitaly sns. Tsy izany mihitsy anefa no tokony ho vaindohan-draharaha hoy ity loholona ity fa ny tena mahamaika dia ny fanomezan’asa ireo vahoaka very asa sy noana ary ny fitsinjovana ny Orinasa Madinika sy Salantsalany (PME). Vonjy aina no tsy maintsy atao ary na ny lalànan’ny tetibola nasiam-panitsiana (LFR) aza moa dia enim-bolana sisa no ampiasaina azy kanefa mbola dinihina eny amin’ny Antenimieram-pirenena ihany koa. Tsy ahafahana manao fotodrafitrasa mateza io enim-bolana io hoy hatrany ny fanazavana ary tena diso ny fametrahana ny laharam-pahamehana nataon’ny fanjakana tao anatin’ny Plan Marshal satria tsy mitondra tombony amin’ny vahoaka izay tantsaha ny 80% hoy hatrany Atoa Rafidiarison Remi.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT