Toekarena

Drafitra marolafy iatrehana ny covid-19 Hotohizana hatramin’ny jona mialohan’ny PEM


  • Talata 16 Febroary 2021

Notanterahina teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy omaly ny fivoriana mikasika

 

 

 

 ny drafi-pirenena marolafy iatrehana ny valanaretina covid-19 notarihin’ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay Christian, nahitana ireo mpikamban’ny governemanta manontolo, Mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF), ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena, nanaovana tombana sy nanomanana ny ho avy, ka nitarika izany ny Praiminisitra Ntsay Christian. Niaraha-nijery ny ezaka natao tao anatin’ny fotoana rehetra mba hiadiana amin’ny valanaretina, hoy izy omaly. Nojerena ny mahakasika ny ara-bola, ny fitaovana nampiasaina, ny zavatra vita,... Eo ihany koa ny ezaka mbola atao manokana iarahana manao amin’ny herinandro na afaka vola vitsivitsy. Nambaran’ny Praiminisitra fa vonona hanohy ny ezaka ny governemanta, efa voafehy ny valanaretina kanefa mbola tsy lefy tanteraka. Hiditra amin’ny fotoana mampangatsiaka ny andro isika afaka volana vitsivitsy, ka mila mametraka lamina vaovao mba tsy hampirongatra indray ny valanaretina, hoy izy. Vonona ny mpiara-miombon’antoka hanome tànana ny fanjakana. Notapahana omaly ihany koa fa ho tohizana hatramin’ny volana jona ny fanatanterahana ny drafitra nasionaly marolafy, ary aorian’izay dia ny PEM (Plan Emergence Madagascar) no drafi-pampandrosoana entina manatanteraka ireo programan’asam-panjakana rehetra. Nodinihina tao anatin’ny firahalahiana sy ny fifanajana izany rehetra izany, hoy ny Praiminisitra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT