Toekarena

Drafi-pampandrosoana Mbola tsy mazava foana ny tian’ny fanjakana atao


  • Alarobia 04 Novambra 2020

Taorian’ny resabe teraka momba ny colisee anaty rova ny volana may dia tonga indray izany iny ny resaka satro-boninahitry ny mpanjaka Ranavalona III. Ilay voalohany moa dia tsikaritra fa saika nahatakona ny fisiana Malagasy nindaosin’ny fahafatesana voalohandohany vokatr’ity aretina Covid 19 ity. Nangina ny resaka taorian’izay ary zara raha heno toy ny ankehitriny taty aoriana.

 

 

 

 Ny resaka mikasika ny nosy Malagasy moa no tena isan’ny nandrasan’ny maro, raha ny endriky ny fampahafantarana ny fihavian’iny kabarin’ny filoham-pirenena omaly iny, saingy ny tantarana satro-boninahitra efa very tamin’ny 123 taona indray moa no nipongatra sy nolazain’ny filoha fa ho averin’ny frantsay. Mbola mampametra-panontaniana koa hoe tena nitaky ny hamerenana izany ve ny filoha sa fanatanterahan’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, ny fampanantenany hamerina ireo vakoka aty Afrika ny taona 2017 no hitranga ny 5 novambra izao? Ny nosy Malagasy izay tsiahivina fa nangina teo anivon’ny fitondram-panjakana ny momba azy taorian’ny desambra 2019, volana nisian’ilay fanambarana miezinezina nataon’ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina, teny amin’ny CCI Ivato fa tsy maintsy miverina amintsika ireo nosy ireo. Very an-javony hatreto anefa iny rezaka iny. Very an-javony toy izany koa ny satro-boninahitra iray hafa very tamin’ny tetezamita 2009 izay notarihin’ny filoham-pirenena ankehitriny hatrany. Etsy ankilan’izany rehetra izany dia tsy mbola mazava foana hatramin’izao ny drafi-pampandrosoana entin’izao fitondrana izao ho an’ity firenena nampanantenany ho asandratra ao anatin’ny fotoana fohy ity. Velom-panahiana ny maro ary na ity satro-boninahitra ho avy ity aza efa tsy vitsy sahady ireo mamatre-panontaniana hoe sao dia ho dika mitovy fa tsy ilay tena izy?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT