Toekarena

Dr Nalisoa Ravalitera “Mila ampifanarahana amin’ny toe-tsaina ny fandrosoana”


  • Alatsinainy 14 Desambra 2020

Mamorona fitaovana toy ny vola ny olombelona ho irakiraka nefa ireny indray no

 

 

lasa manirakiraka azy, hoy ny mpampianatra mpikaroka, ny Dr Nalisoa Ravalitera, naneho ny heviny mikasika ny fikarohana sy raharaham-pirenena. Tsy maintsy mivoatra ny fitaovana sy tekinolojia saingy tsy maintsy fehezina, hoy izy. Tsy mitovy ny fandrosoana eto sy any ivelany ka mila ampifanarahana ny toetsaina misy eto noho izany, hoy ny fanazavany, ny teknika ampiasaina. Fehiny dia hoe tsy tokony hiataka amin’Andriamanitra isika fa hiverina ao amin’ny naharian’Andriamanitra antsika ka hikajy izao tontolo izao sy ny zavaboary ao aminy. Raha ampiharina amin’ny fiainam-pirenena ilay izy dia hoe mihazakazaka isika, indrindra, ireo mpanapa-kevitra hitovy amin’ny any ivelany, hampiasa ny tekinika mamirapiratra rehetra any nefa tsy mifanaraka loatra amin’ny zava-misy eto amintsika. Hain’ny ankizy ve ny mampiasa “tablette” ary mifanaraka amin’ny toetsainy? Tokony hampahafantarina aloha ny azontsika ampiasana azy mba hifanaraka amin’ny zava-misy eto fa tsy haka tahaka fotsiny amin’ny any ivelany, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT