Toekarena

Dr jean-Louis Robinson “Hanampy an’i Madagasikara hiala amin’ny fahantrana i Sina”


  • Alarobia 03 Jona 2020

Tontosa tamin` ny herinandro lasa teo ny fivorian’ny Antenimieram-pirenena entim-bahoaka (ANP) any Sina.

 

 Hiantsehatra amin` ny fampandehanana ara-toekarena ny fireneny manomboka izao i Chine hoy ny praiministra Li Keqiang nandritry ny fivoriana. Voafehy ny valanaretina ary efa nahitana paikady izany hoy hatrany izy tamin` ireo solombavambahoaka 3 000 tafavory tany an-toerana niaraka tamin ireo masoivohon` ny firenena samihafa any Sina. Anisan` ireo nanotrona izany ny ambasadaoron` i Madagasikara, Dr Jean Louis Robinson, izay nanamafy fa hanana tombony manokana i Madagasikara taorian’izao fivoriana izao. Ankoatra ny drafi-pampandrosoana (PEM) hanohanan` i Sina an` Madagasikara, manana fanantenana amin ny hialàn’i Madagasikara anaty fahantrana i Sina, hoy Dr Jean Louis Robinson, ary hahazo tombony manokana noho isika manana fifandraisana ara-diplomatika matotra amin izy ireo, indrindra amin izao fandresen’i Sina ny aretina coronavirus izao. Nomarihany ihany koa fa nahitana fahombiazana ny singa artemisinine nampiasain` izy ireo tamin’ny fitsaboana Covid 19 izay ampiasaintsika amin’ny tambavy CVO io, araka ny valiteny nomen’ny Kaomisiona nasionaly ny fahasalamana any Sina.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT