Toekarena

Dr Ignace Randriamamizafy «Tsy hisy Rosianina hanome vola izany eo»


  • Zoma 04 Martsa 2022

“Raha mbola firenena sahirana toa antsika tsy mety ny “ni… ni...”. Tsotra ny antony, resaka “géopolitique” sy “géostrategique” io,

mbola miankina hatrany amin’ny 80% amin’ny Tandrefana isika”, hoy i Dr Ignace Randriamamizafy manam-pahaizana manokana momba ny Jeografia, efa mpikamban’ny Kongresin’ny tetezamita. Aty amin’ny Ranomasimbe Indianina ho an’ny lafiny jeostratejika, na “transport des troupes” aza hatreto tsy ananantsika, tsy manana sisin-tany iraisana aman’olona fa tonga dia habakabaka sy ranomasina, kanefa ny fitaovana hiarovana an’izany aza tsy ananana ka mibanaka ny ranomasina. Miankina amin’ny Ny Frantsay amin’ny alalan’ny FAZSOI (Forces armées en Zone Sud de l’Océan Indien no miaro antsika raha resaka sisin-tany, ary mbola ireo aza no manofana ny tafika eto. 70% eo ny fifanakalozana ara-barotra na ny “échange commerciale” any amin’ny Frantsay. Ny famatsiam-bola iankinana tanteraka amin’ny Vondrona Eoropeanina, Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI), Banky Iraisam-pirenena, Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD) izay fehezin’ny Tandrefana sy ny Amerikanina. Isika anefa tsy miaraka amin’ireo fa sady tsy atsy ny tsy aroa. Manahy aho, fa raha io toerana noraisintsika io dia ho tratry ny ankivy (embargo) ara-toekarena isika, raha mbola mitohy lavabe io ady any Ukraine io, hoy i Dr Ignace Randriamamizafy. Tsy manana fototra ara-toekarena matanjaka be isika, ka hoe manana vahaolana rehefa mihasarotra ny toekarena iraisam-pirenena. Inde izay nisafidy ny tsy hitanila, ohatra, dia matanjaka be, fa ny antsika vary aza mbola hafarana. Raha sanatria mandray anjara amin’ny ady ny Frantsay, dia haneho fa satria Madagasikara tsy miaraka aminay, ka ho sarotra raha hilaza izy hoe: hosakananay daholo aloha ny mankaty. Tsy misy Rosianina hanampy anao izany, izy aza manomboka sempotra. Fijeriko manokana, dia hitako hoe: manao fahadisoana ihany ny Fanjakana amin’io hoe: izahay sady tsy maka ny atsy tsy maka ny aroa. Raha izaho no asaina mijery, noho ny zava-misy ara-jeopolitika sy jeostratejika, dia tsy maintsy mijery hoe iza no mamatsy vola anay? Iza no mbola hanaovanay fifanarahana ara-barotra be indrindra? Iza no mety miantoka kokoa ny filaminanay amin’ny toe-javatra iray mitranga,… dia aleo miaraka amin’ireo ihany, hoy i Dr Ignace Randriamamizafy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT