Toekarena

Donald Trump “Hiara-kiasa amin’ny lafiny toekarena sy sosialy isika”


  • Alakamisy 27 Jona 2019

Nandefa taratasy fiarahabana ho an’ny filoha Andry Rajoelina sy ny vahoaka Malagasy noho ny fetim-pirenena ny filoha Amerikanina Donald Trump.

 

 

 

Nambarany ny fahavononan’i Etazonia hiara-kiasa amin’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka mba hisian’ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara.  Nanamafy ny filoha Amerikanina fa fotoana nanamarika ny fanjakan’ny demokrasia ny fifidianana filoham-pirenena nizotra am-pilaminana tamin’ny 2018. Ny governemantan’ny firenentsika roa tonta, hoy izy dia miara-miasa hatrany amin'ny fampiroboroboana ny sehatra ara-toekarena sy ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ara-pahasalamana. Notsipihany manokana ihany koa ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary tsy manampaharoan’i Madagasikara.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT