Toekarena

Distrikan’Ivohibe Mizara Masomboly ny Conservation international


  • Talata 29 Novambra 2022

Tokantrano manodidina ny 700 ao anatin’ny distrikan’Ivohibe no mahazo tombotsoa amin'ny tetikasa avy amin’ny tetikasa Fiarovana novolavolain’ny Conservation International Madagascar, ary vatsian’ny GCF avy any Washington vola.

 Mpikambana ao anatin’ny VOI (Vondron’olona Ifotony), Fikambanam-behivavy ary Koperativa izy ireo, izay vonona tanteraka hiady amin'ny fiovaovan'ny Toetr’andro sy Fiarovana ny Tontolo Voajanahary Lovainjafy ao anatin'ny Tandavan'Ala Ilany Atsinanan'i Madagasikara Ambositra Vondrozo ka isan'izany ny Distrikan'Ivohibe. Homena tosika hamokatra sy hiary ireo tantsaha, ka natomboka omaly ary haharitra andro maromaro ny fizarana masomboly ahitana tsaramaso, katsaka, voanjo, izay mbola narahina fitaovana entina miasa eny an-tsaha. Amporisihina hamboly sy hamokatra ny tantsaha mba tsy hamotika ny tontolo iainana, indrindra fa ny ala izay tena mihazakazaka ny fahasimbany noho ny fitrandrahana bontolo sy famotehana an-jambany ataon’ny olombelona. Zavatra tokony himasoana sy hatao laharam-pahamehana ny resaka tan-tsoroka ara-pambolena tahaka izao mba ahafahantsika tena mamokatra sy hahatongavana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ary hanana ambim-bava sy hanondrana mihitsy aza no tena tokony hotratrarina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT