Toekarena

Distrikan’i Besalampy Mikorosofahana tanteraka ny mponina


  • Alarobia 13 Febroary 2019

Mampalahelo tanteraka ny zava-misy ankehitriny any amin’ny Distrikan’i Besalampy faritra Melaky, hoy ny solombavambahoaka teo aloha, Delphine Florentine.

 

Zandriny dia zandriny ary raha tsy farany dia mialoha ny farany ity distrika ity, hoy izy amin’ny fampandrosoana. Ny lalam-pirenena izay nanana ny naha izy azy tamin’ny repoblika voalohany manomboka hatrany Maintirano mandalo ny tampon-tanànan’i Besalampy dia tsy misy intsony. Potika tanteraka ihany koa ny miampita mankany Soalala sy mandalo ny any Mitsinjo izay tonga any Katsepy Mahajanga. 3 volana anatin’ny herintaona no mba misy fiara mandalo ary ny mankany Katsepy aza atao anatin’ny 2 andro. Tapaka tanteraka ny lalana ka orinasa iray mpiompy makamba no mba miantra mitondra olona rehefa manatitra vokatra mankany Mahajanga. Noho ny faharatsian’ny lalana ihany koa dia alefa mora be ny vokatra. Ny rofia izay mampalaza an’i Besalampy dia amidin’ny mponina 2000 Ariary monja ny kilao raha tokony ho 6000 Ariary no tena vidiny. Mijaly tanteraka ny tantsaha ary mihen-danja ny famokarana kanefa manankarena iny faritra iny. Misy tanimbary midadasika hatrany amin’ny 100 000 ha any kanefa tsy velona intsony noho ny tsy fisian’ny toha-drano. Manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana sy ny asan-dahalo  izay mahakivy tanteraka ny vahoaka. Manao diabe miaraka mantsy ny dahalo maka ny omby izay miteraka  fahaketrahana tanteraka amin’ny mponina. Eo ihany koa ny tsy fisian’ny jiro sy rano izay tena mampanjaka ny asan-dahalo. Miantso ny fitondram-panjakana ny mponina mba hijery akaiky izany rehetra izany sy ny zava-misy any amin’izao fotoana izao satria very fanahy mbola velona izy ireo ary kivy tanteraka.

Tsirinasolo

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT