Toekarena

Distrikan’Ambositra Hametrahana indostria mpanodina voatabia


  • Zoma 18 Febroary 2022

Ambositra no distrika fahatelo aorian'i Betafo sy Ambatondrazaka hanodinana ny voatabia ho lasa fihariana haingana sy maharitra.

 Kaominina roa any Ambositra no anisan'ny mpamokatra voatabia betsaka indrindra. Naniraka ny mpiara-miasa aminy ny Minisitry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Atoa Edgard Razafindravahy hidina ifotony hijery ny fomba hananganana io Orinasa mpanodina voatabia io ho azo jifaina amin'ny toeram-pivarotana samihafa ary hampiavaka an'Ambositra. Nandray ny Minisitra tao an-tampon'i Vinany omaly ny Governoran'Amoron'i Mania sy ny Solombavambahoaka, ireo ben'ny tanàna, ny mpandraharaha ary ny solontenan'ny Kaoperativa sy fikambanana samihafa. Ankoatra an’Ambositra, dia hezahina ihany koa ny hametraka taninketsa Indostrialy any Fandriana. "An-taoniny ny mananasy vokatra ato amin'ny kaominina misy ahy ka miteraka toe-tsaina vaovao izao fanazavana izao", hoy ny Ben'ny tanànan'i Sandrandahy. Afa-po ny tenany tamin'ny fanentanana nataon'ny Minisitra Edgard Razafindravahy amin'ny tokony hametrahana Taninketsa Indostrialy ao Fandriana, hanodina ny vokatry ny mponina. Naneho ny fahavononany koa ny solombavambahoaka raha nilaza fa efa manao ezaka aza ny distrikan'i Fandriana mijery ny tany, rano sy famatsiana herinaratra ny toerana. "Tsy hamelanay io raha tsy vita. Tsy hisy intsony ny voankazo lo sy simba", hoy izy. Mandeha ny fijerena ifotony, hifampiresahana mivantana ny tena filàn’ny olona, hijerena vahaolana haingana, antenantenan’ezaka, ary lavitra ezaka, izay ao anatin’ny lalan-tsaina ijerena fitoniana. Isan’ireny ny vidin-javatra, fifampiresahana amin’ny tantsaha mpamokatra sy ny mpandraharaha ahafaha-mijery izay vahaolana arakaraka ny zava-misy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT