Toekarena

Disadisa amin’ny MICTSL Hitokona lavareny ireo mpitatitra sy ireo “Transitaires”


  • Talata 26 Desambra 2017

Nanamafy ny olana misy eo amin’ny orinasa MICTSL mpikirakira kaontenera ao amin’ny Port Toamasina sy ireo mpitatitra ary ireo “Transitaires” ny fanambarana nataon’ity orinasa ity an-gazety farany teo.

Ho an’ny mpitatitra entana sy ny “Transitaires” dia midika fanambaniana sy fanivaivana ary fivadiham-pitokosana tsotra izao no nataon’ny MICTSL, satria nandritra ny fihaonany tamin’ny minisitry ny fitaterana Ralava Beboarimisa dia misy tamin’ireo teboka milaza ny fitarain’izy ireo no neken’ny MICTSL fa hovahana. Nisy ny fihaonana indray ny faran’ny herinandro teo, fa nandamoka izany. Vokany, manambana ny hiroso amin’ny fitokonana tsy voafetra ireo mpitatitra entana sy “transitaires”, manomboka anio, raha tsy vita sonia ilay fifanarahana sy ny fitakian’izy ireo. Tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny fandraharahana sy ny ara-barotra eto amintsika izao fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitatitra entana sy ny “Transitaires” izao, saingy tsy maintsy hirosoana ny fitokonana, hoy izy ireo mba hisy mpihaino amin’ny olana sedrainy izy ireo. Anisan’ny fitakian’ireo mpitatitra sy Transitaires ireto ny hanampian’ny MICTSL ny fitaovany, hanafainganana ny famoahana kaontenera ao amin’ny Port, fa miteraka fatiantoka betsaka ny fitarazohan’io famoahana entana io.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT