Diplaomasia sy toekarena

Mifandinika amin’ny Fitondrana


  • Talata 13 Janoary 2026

Malagasy ny iraky ny FMI

Mamita iraka eto Madagasikara ireo delegasionin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI tarihin'Andriamatoa Lonkeng Constant ireto, izay nahitana ny Solontena maharitry ny FMI eto amintsika, Andriamatoa Eklou Kodjovi. Nisy ny dinik’asa lehibe no niarahan'ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy tamin'ny Tahirimbola Iraisampirenena (FMI) tamin’ny alalan’ireo iraka ireo tao amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, omaly 12 janoary, raha ny fampitam-baovao ofisialy. Ity no dingana voalohany nanaovan'ny FMI fifanakalozan-kevitra tamin'ny Governemantan'ny fanavaozana, ka nampahafantarana azy ireo ny sori-dalana sy laharampahamehan'ny fitondram-panjakana malagasy. Nojerena araka izany izay fomba hitohizan'ny fanohanan'ny FMI an'i Madagasikara amin'ireo fandaharanasa fanarenana ny toekarem-pirenena, hoy hatrany ny Fiadidian’ny Primatiora. Nanotrona ny Praiminisitra nandritra ity fihaonana teo amin'ny roa tonta ity ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Ramiarison Herinjatovo Aimé, sy ny Minisitry ny Indostria sy ny Fampiroboroboana ny Sehatra tsy miankina, Rasoarahona Andriniaina. Taorian’ny teny amin’ny Primatiora, dia noraisin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa Fanirisoa ERNAIVO teny Faravohitra ihany koa ity iraky ny FMI ity. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fitantanana tsara tantana, ny ady amin’ny kolikoly ary ny fanjakana tan-dalàna ny dinika, izay isan’ny fototra iorenan’ny fitoniana ara-toekarena sy ara-tsosialy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT