Désiré Ranaivoson

«Manahirana hoe 80%n’ny toekarena tsy am-pelantanantsika»


  • Alakamisy 09 Janoary 2025

Ny fiverenana amin’ny fototra malagasy, izay angamba no tena hoe fanorenana ifotony ny firenena,

hoy ny mpampianatra mpikaroka sady mpandalina tantara, Désiré Ranaivoson. Tena resaka toetsaina, fomba fiasa, fomba fitondra ary fomba fifandraisan’ny mpitondra sy ny entina io, hoy izy. Tena fiverenana amin’ny kolontsaina malagasy, ny rafitra mifanaraka amin’ny kolontsaina malagasy. Heveriko fa fototra tahaka izany no tena ilaina iaingàna raha hijery lavitra isika. Manahirana hoe 80%n’ny toekarena tsy am-pelantanantsika izao, ohatra. Mety efa mihoatran’izany aza. Misy sokajin’olona mifehy ny toekarena eto Madagasikara izany no dikan’izay, izay sarotra ny mifehy azy avy aty amin’ny fitondràna politika. Miankina aminy tsinona ny fiodin’ny toekarena sy sosialy eto Madagasikara. Lavitra ezaka, noho izany, ny hoe ahoana no hiverenan’ny toekarena ho eo am-pelantanan’ny malagasy tsikelikely? Izany no tokony ho politikam-pirenena iaingàna raha hampandroso ny firenena isika. Raha mbola tsy voafehintsika ny rafitra dia ho baikon’ny hery ara-toekarena na «influence économique» foana isika. Eo koa ny sehatra iraisampirenena izay na tiana na tsy tiana, mampindram-bola anao izy. Miankina aminy ianao ara-pamatsiam-bola dia tsy maintsy mametraka fomba fijery koa izy amin’ny lafiny fitantanan-draharaham-pirenena. Na tsy hitantsika mivantana aza fa nisy ataontsika hoe «dominance douce», hoy ny filaza azy, izany hoe amin’ny fomba tsy hita mivantana no entiny mifehy anao fa tsy mivantana be toy ny taloha. Izany no antony ilàna ny vahoaka malagasy tena mandray an-tanana ny fireneny ary miverina amin’izay soatoavina sy rafitra maha malagasy izay. Lavitra ezaka io saingy mbola tsy tara fa azo atao tsara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT