‘’Tokony hofoanan'ny Fanjakana ny famerana ny vidin'ny lavanila nataony ho 250 Dolara satria hatramin'izay mbola tsy nisy izany famerana ny vidin'ny lavanila izany teto.
Koa avy amin'io ihany no mampatahotra ireo mpividy avy any ivelany handefa ny volany ho aty amintsika hividy lavanila. Anisany mampidina ambany tena ambany izao vidiny izao, ankoatr'ireo olom-bitsy akaiky ny fitondrana amin'izao manao io lavanila io izay mahita tombontsoa manokana nefa ny vahoaka maro an'isa indrindra ny tantsaha no tena voa mafy sy sahirana. Tsy azo ekena no toy izao ary tsy nifanarahana ka miala tsiny fa tsy maintsy hiteny sy hanao ny ampamoaka momba izay tsy ho ela fa mijaly loatra ny mpikirakira lavanila amin'izao”, hoy ny depioten’i Madagasikara voafidy tany Sambava Atoa Mamangy Norbet dit Jack. Miantso ny namany izay depiote amin'ny toerana mpamokatra lavanila ihany koa izy mba ho sahy hiteny toa azy satria raharaha hiombonana izy ty ary amin'izao indrindra no tena tokony ampisehoana ny maha solombavambahoaka. Marihina fa ny 25 febroary 2020 no nandraisan’ny fanjakana fanapahan-kevitra hametra io vidin’ny lavanila io ho 250 dolara ny fanondranana, ary 900 000Ar ho an’ny tsena anatiny amin’ny lavanila voakirakira haondrana. Ny 02 septambra 2020 teo kosa no namoahan’ny Ministeran’ny varotra sy indostria ary ny asa tànana ny lisitr’ireo mpanondrana lavanila nahazo fahazoan-dàlana ho an’ny taona 2020-2021 sy 2021-2022. Miisa 26 ho an’ny “Industriels-Categories I”, 43 ho an’ny “Industriels-Categories II”, ary 55 ho an’ny “Categorie artisans”. Miisa 124 izany ireo nahazo fahazoan-dàlana ara-dalàna amin’ity taom-piotazana ity, izay mety ho voasokajy ao anatin’ireo olom-bitsy akaiky ny fitondrana tsy mikendry afatsy ny tombotsoany manokana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.