Toekarena

Depiote Jack «Atsaharo ny ampihimamba mamono ny seha-pihariana lavanila”


  • Alatsinainy 11 Janoary 2021

“Atsaharo ny ampihimamba ataon'ireo orinasa vitsy kely akaiky ny fitondram-

 

 

panjakana fa mamono ity seha-pihariana lavanila ity” hoy ny depiote Jack.,Marihana fa Ny 25 febroary 2020 no nandraisan’ny fanjakana fanapahan-kevitra hametra io vidin’ny lavanila io ho 250 dolara ny fanondranana, ary 900 000Ar ho an’ny tsena anatiny amin’ny lavanila voakirakira haondrana. Ny 02 septambra 2020 teo kosa no namoahan’ny Ministeran’ny varotra sy indostria ary ny asa tànana ny lisitr’ireo mpanondrana lavanila nahazo fahazoan-dàlana ho an’ny taona 2020-2021 sy 2021-2022. Miisa 26 ho an’ny “Industriels-Categories I”, 43 ho an’ny “Industriels-Categories II”, ary 55 ho an’ny “Catégorie artisans”. Miisa 124 izany ireo nahazo fahazoan-dàlana ara-dalàna amin’ity taom-piotazana ity, izay mety ho voasokajy ao anatin’ireo olom-bitsy akaiky ny fitondrana tsy mikendry afatsy ny tombotsoany manokana. Raha ny vaovao farany azo avy any an-toerana dia mpandraharaha roa avy ao Toamasina no tena mibahana ny sehatry ny fanondranana lavanila any ivelany amin`izao. Raha io fanapahana no raisin` ny Fanjakana io dia mitombina hatrany ny fisian` ny olom-bitsy mifehy ity seha-pihariana ity. Ny fitondram-panjakana rahateo dia miziriziry amin` ny famerana ny vidin` ny lavanila ho 250 dolara ny kilao izay ambarany hatrany fa fenitra tokony arahana farafahakeliny, araka ny nambaran` ny minisitrin` ny varotra, Lantosoa Rakotomalala, ny faran` ny taona teo.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT