Toekarena

Dany Rakotoson “Manana sary ratsy isika amin’ny resaka fandraharahana”


  • Talata 08 Novambra 2022

Mbola anaty krizy moa isika, hoy ny mpandraharaha sady mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson, ary mitady ny lalan-kizorany na “repère” ho azy indrindra ao anatin’izany ny vahoaka.

Nampiakatra karama ny fitondram-panjakana, hoy izy, fa tsy mahasehaka ilay fiakaran’ny vidin’entana sy ny fiainana eny an-tsena rehetra eny. Ny fitondram-panjakana moa manao izay ho afany amin’ny fandaminana sy izay mba mety isian’ny fandraharahana sy indrindra famoronana asa. Tsy voafetra nefa ny resaka namanamana. Nahafinaritra izao ny naheno hoe hisy fanalefahan-ketra nefa ohatran’ny malahelo indray ny tena maheno hoe mila mandalo filankevitry ny governemanta aloha vao misy ilay izy. Anatina firenena manana fahalalahana nefa dia rafitra na “entité” iray apetraky ny fanjakana fotsiny dia afaka mankato izany fa tsy voatery hiandry fanjakana. Na maheno ilay kabarin’ny filoham-pirenena aza dia velom-panontaniana hoe mbola eo foana ve ilay famerana sy fanavahana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny tena? Fandraharahana no resaka eto fa tsy politika. Niaraha-nahita fa tsy natao ho an’ny mpandraharaha malagasy mihitsy ny zavatra natolotry ny fitondram-panjakana tamin’ireny faoraoman’ireo mpamatsy vola ireny. Ho an’ny vahiny matanjaka be sy olona vahiny matanjaka be avy any ivelany ilay izy. Iaraha-mahalala nefa fa manana sary ratsy isika amin’ny resaka fandraharahana sy fifampitokisana. Na vao naheno fotsiny aza hoe mandalo filankevitry ny governemanta ilay fanalefahanketra dia hoy aho hoe mbola mandeha ihany izany ny kiantranoantrano amin’izy ity. Mila mampiseho ny fitondram-panjakana fa tena misokatra amin’ny fandraharahana. Azo itokisana izany Madagasikara izany amin’ny resaka fandraharahana fa tsy hoe hiantso ianao nefa ny kibay an-kelika ihany. Tadidio fa mbola fetsy lavitra noho isika ireo mpandraharaha vahiny ireo. Manao tsolotra ny ankamaroany miditra eto fa avo 100 heny amin’ny tombontsoa azon’ny vahoaka malagasy no azony. Mila mijery isika hoe iza no mpandraharaha vahiny tena hitondra tombony ho an’ny firenena dia iza no mpanararaotra. Mikasika ny hoe fiaraha-miasan’ny mpandraharaha sy ny CENI dia tadidio tsara fa sampan-draharaha manana famatsiam-bola ny CENI. Maninona moa no tsy alefa fotsiny ny fanadihadiana ifotony ny lisitra efa eo fa tsy hamerina hanisa indray. Tsy asan’ny orinasa ny hanampy amin’ny fanisana mpifidy saingy fitiavan-tanindrazana moa ny an’ny mpandraharaha fa raha ny sitraponay mihitsy dia tsy misy mifanelingelina amin’izany satria asan’ny CENI madiodio izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT