Toekarena

Dany Rakotoson “Isatra ho an’ny fampandrosoana ny fifanandrinana politika”


  • Talata 08 Septambra 2020

Tsy dia nisy zava-baovao loatra ny zava-boalazan’ny filoham-pirenena omaly (TTF: Ny alahady teo), hoy ny mpandinika raharaham-pirenena sady mpandraharaha, Dany Rakotoson.

 

Tsy hita ny tena hamerenana haingana amin’ny laoniny, indrindra, ny lafiny toekarena. Tsarovy fa ny navelan’ny ahamehana dia ny fisavovonan’ny faktiora isan-karazany, be dia be ny olona nahato vonjimaika tamin’ny asany, mbola tsy hita ny tena politika hampanam-bola ny mpandraharaha sy ny Malagasy hampiodina ilay toekarena. Ny tadiavin’ny vahoaka izao dia asa, fandriampahalemana, fahasalamana, fiverenan’ny fiainany an-davan’andro amin’ny laoniny ao anatin’ny fiarovana ara-pahasalamana. Nampanantena drafitra Marshall ny filoham-pirenena. Tokony hafainganina io hiroboroboan’ny vola mifanerasera eo amin’ny firenena hiverenan’ny toetsaina fihariana sy ara-pahasalamana tsara hananana vola hilaminan’ny fiainam-bahoaka sy hamokarany tsara hahafahantsika mandroso, hoy izy. Tsy azo afangaro ny resaka politika sy fifanandrinana. Ny mpitondra teto Madagasikara ary isan’ny ankehitriny dia tsy tonga avy amina ideolojia politika fa tonga avy amin’ny ahamehana ihany koa, hoy izy, ary isatra ho an’ny fampandrosoana ny fifanandrinana amin-drizareo ireo. Mitana ny firenentsika ho faran’izay mahantra foana io na dia ao aza ny fahafahantsika mivoatra satria lehibe noho i Lafrantsa,  i Madagasikara nefa 25 tapitrisa ny mponina ao aminy. Ry zareo anefa 70 tapitrisa, hoy hatrany izy, ka izay ilay antony tokony hametrahana fanovana ifotony.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT