Toekarena

Dany Rakotoson “Hatahorana ny vola baoritra raha…”


  • Alarobia 21 Oktobra 2020

Rehefa jerena dia Antananarivo ihany no manao arotava fa vao mivoaka fotsiny na etsy Imerintsiatosika sy Ambohimangakely aza, hoy ny kandida ho loholona sady mpandraharaha, Dany Rakotoson, dia efa tsy manao ny ankamaroan’ny olona.

 

 

Mahajanga izany moa dia tsy ahitana, hoy izy na Toliara. Efa ela angamba no nilatsaka ny fanapahana hoe foano ilay ahamehana fa ny alahady teo izany no mba te hiteny amin’ny fomba ofisialy ny filoham-pirenena. Aiza ny fanarenana taorian’ireny fikatonana orinasa naharitra ireny? Tsy mbola ahitana firy ny fampananam-bola ny vahoaka hatreto ny fepetra raisina rehetra. Raha resaka fizahantany fotsiny, ohatra, dia mbola goavana ny fikatonan’ny seranana. Mbola misy fepetra be dia be koa ny mpizahantany vao mety ho tonga eto taorian’ireny hahamehana ireny. Mety ho 20 na 25%n’ny isa tokony ho avy ihany no mety ho avy. Be ny isatra ara-pahasalamana sy fandriampahalemana. Ilay fepetra raisin’ny fanjakana hampitombo ny volan’ny tsirairay hahafahan’ny toekarena miakatra mihitsy no tsy ampy. Tokony isam-bolana no misy ireny fanampiana 1 etsy ariary isan-tokatrano ireny dia samy mahazo daholo. Isan’ny hanarenana toekarena izany. Hatahorana ny fanaovana vola baoritra na “Planche à billet” raha tsy miroborobo io vokatra anatiny mbola marefo io, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT