200 ankehitriny ny olona voamarina fa voan’ny Coronavirus aty Afrika ary 6 no . Taorian’i Kenya sy Ethiopie sy i Rwanda no firenena farany hatry ny omaly alahady fantatra fa misy olona tratry ny otrikaretina Covid 19;
ny 8 martsa no tonga tany Rwanda tamina fiaramanidina avy any Bombay – Inde ny olona iray ary voamarina fa mitondra ny Coronavirus.Nofoanana avokoa ny hetsika mamory olona any amina firenena Afrikanina maro noho ity aretina ity mba hisorohana ny mety ho fiparitahany.Efa nandray fepetra fampiatoana ny fandraisana sidina avy any amin’ireo firenena eoropeanina sy aziatika misy ny Coronavirus ireo firenena Afrikanina ireo, saingy ny olana dia mety tsy mivantana avy any amin’ireo firenena ireo ilay olona mitondra ny otrikaretina fa mandeha fiaramanidina, na sambo na fiara ka mankany amina firenen-kafa aloha, tahaka ny hoe Inde na Maorisy..ka avy ao indray izy no mandray fiaramanidina mankany amina firenen-kafa…Eo no mila mailo ireo polisin’ny sisin-tany amin’ny fijerena tsara izay rehetra voasoratra ao amin’ny pasipaoriny satria tokony ho hita ao avokoa ireo firenena nolalovany.Fantatra fa efa hentitra amin’io fanarahamaso sy fitsirihana tsara ny pasipaoro io ny polisin’ny sisin-tany eto Madagasikara ary tsy tokony ho varimbariana mihitsy.Nametraka fepetra henjana ireo firenena eoropeanina toa an’I Frantsa, Italie, Espagne vantany vao nahafantatra tamin’ny volana febroary fa efa henjana ny fiantraikan’ny Coronavirus any Chine.Tafiditra tany amin’izy ireo ihany anefa ilay aretina ary tena nihazakazaka ny fiparitahany tao anatin’ny herinandro monja.Noho izany tena mila mailo isika eto Madagasikara ary mila hamafisina ny fampitam-baovao sy serasera hampahafantarana amin’ny olona rehetra monina eto Madagasikara fa tena misy ny Coronavirus, haingana ny fiparitahany ary tahaka izao sy izao no fihetsika sy fitandremana tokony atao.Fanentanana amin’ny haino amman-jery sy ny gazety, ny peta-drindrina isam-pokontany, amin’ny toerana ifamezivezen’ny olona, any amin’ny toeram-piasana sy ny fianarana isan-karazany, eny hatrany am-piangonana aza.Izany hoe izay toerana rehetra ifamezivezena. Ary raha ilaina dia tsy tokony hisorona ny fitondram-panjakana fa atao hentitra kokoa ny fepetra raisina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.