Toekarena

CORONAVIRUS Ahoana ny zava-misy maneran-tany ?


  • Alarobia 18 Martsa 2020

Tsy misangy ny any Frantsa Ny mpitsabo, mpitandro filaminana, mpanao gazety ihany no afaka mivezivezy malalaka noho ny asan’izy ireo any Frantsa nnanomboka omaly talata 17 martsa.Tsy maintsy manao fangatahana manokana ny olona hafa ankoatr’ireo raha te hivoaka ny tranony na hoe misy zavatra tsy maintsy aleha.

 

 

Sazy avy hatrany no mihatra raha tsy manana taratasy fanamarinana ny fivoahana ilay olona : 35 euros raha tsy nampiseho ilay taratasy fanamarinana.Lamandy 135 euros kosa ho an’ireo tsy manana fanazavana matotra hoe fa ho aiza na hanao inona marina.Azo jerena amin’ny tranokalan’ny ministeran’ny atitany Frantsay ny taratasy tsy maintsy fenoina sy ny fepetra maro takiana raha toa ka te hivoaka ny trano ny olona iray.Amporisihana hanao ny teletravail ireo mpiasa any Frantsa, izany hoe any an-trano no mamita ny asa amin’ny alalan’ny solosaina dia iny no alefa anya m-piasana…ho an’ireo izay tsy afaka manao izany kosa dia mila fahazoan-dalana ara-taratasy.Tena tsy misangy ny any Frantsa amin’izao fotoana amin’ny ady amin’ny valanaretina Coronavirus : polisy sy zandary 100 000 no nahetsika hanaramaso any an-toerana.

 

Tarehimarika maneran-tany

Ho an’ny omaly talata alina dia olona 194 873 avy amina firenena 153 no fantatra fa voan’ny Coronavirus; 7865 ireo namoy ny ainy ka tahaka izao manaraka izao ny fitsinjaran’izany any amin’ireo firenena 6 voalohany nahafatesana olona betsaka indrindra :  3111 (Tanànan’i Hubei-Chine), 2503 (Italie), 988 (Iran), 509 (Espagne), 148 (France), 81 (Korea atsimo).Raha ny fivoaran’ny tarehimarika no jerena dia ny firenena 3 no tena mbola mihakazaka ny isan’ireo maty noho ny Coronavirus dia : Italie, Iran ary Espagne. Efa mahatratra 80 840 kosa ireo narary notsaboina ka sitrana soamantsara.

 

Firenena 29 aty Afrika

Olona miisa 456 no fantatra va mitondra ny otrikaretina Covid-19 avy amina firenena 29 aty amin’ny kontinanta Afrikanina ary 12 no maty rah any tarehimarika omaly hariva.Ny any Egypte no be marary indrindra satria mahatratra 166, laharana faharoa i Afrika Atsimo misy marary 65 ary laharana fahatelo i Algerie nahitana marary miisa 60.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT