Comesa Federation of Women in Business

Nitadiavana lalam-barotra ho an’ny vehivavy mpandraharaha


  • Alatsinainy 01 Jolay 2024

Nifarana ny Sabotsy teo rehefa naharitra 2 andro ilay hetsika Traide Fair Madagascar andiany fahadiny,

taona 2024- Comesa Federation of Women in Business nokarakarain’ny GFEM na ny fivondronan’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara tarihin-dRazakaboana Fanja natao teny amin’ny Novotel Ivandry. Tamin’ny ankapobeny dia hetsika iray nahafahana nitady lalam-barotra ho an’ny vehivavy mpandraharaha izy iny miainga eto Madagasikara ka hatrany Afrika Atsimo sy Atsinanana. Samy niaiky rahateo ireo vahiny nasaina sy nanatrika izany fa tena manana ny maha-izy azy ireo vehivavy mpandraharaha Malagasy ary tokony hahavita zavatra raha tsara tohana. Vehivavy mpandraharaha am-polony moa raha tsiahivina no niatrika sy nandray anjara tamin’izany izay marihina fa samy manana fanantenana ny ho tafavoaka amin’ny seha-pihariana tontosainy avy, indrindra fa mitrandraha sy manosika manokana ireo karazam-bokatra mampiavaka an’i Madagasikara toy ny tantely, ny sesame….
Pati
Legende : Ramatoa Fanja Razakaboana notronin’ireo vehivavy mpandraharaha teny an-toerana nandritra ny famaranana ny lanonana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT