Toekarena

CNaPS sy ny banky BNI Hiara-kiasa hizara vola fisotroan-dronono


  • Zoma 22 Jona 2018

Hiara-kiasa hizara vola fisotroan-dronono ny tahirim-pirenena ho an’ny fiahiana ara-tsosialy ( CNaPS) sy ny banky BNI manomboka izao.

Tanjon’ny roa tonta ny hanakaikezana hatrany ny vahoaka manerana ny faritra 22 hisorohana ny mety ho filaharambe hataon’ireo zokiolona isaky ny faran’ny volana. Afaka hisitraka ireo tolotra misy eo anivon’ity banky iray ity ihany koa ireo zokiolona. Anisan’ny mety amin’izy ireo ohatra ny  “Pack Mitsinjo” tombontsoa ho azon’ireo mpikambana rehetra eo anivon’ny CNaPS jifaina. Hosokafana maimaimpoana ihany koa ny kaontin’izy ireo amin’izany miaraka amin’ny kaonty MVola sy ny karatra fisintomam-bola eny amin’ireo toerana fakana vola voatokana amin’izany raha azony hatao ihany koa ny mindram-bola. Amin’ny alalan’ireo tendro MVola miisa 11.000 manerana ny Nosy dia efa afaka maka ny vola fisotroan-drononony ireo zokiolona. Ho an’ireo te haka vola eny amin’ny banky amin’ny alalan’ny karatra kosa indray dia GAB miisa 103 no azony hampiasaina amin’izany. Tsiahivina moa fa  manomana tolotra miavaka ho an’ireo mpiasany ihany koa ny CNaPS amin’izao fotoana izao ka tsy ho diso anjara amin’izany ny amin’ny faritra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT