Toekarena

CNaPS Manana tetikasa hampivoarana ny taranja « Tennis »


  • Talata 09 Mey 2017

Hotanterahina ny 29 mey ho avy izao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ny fifidianana

 

izay ho filohan’ny federasiona Malagasin’ny taranja Tennis hitantana izany mandritra ny telo taona ho avy. Anisan’ny manana kandida goavana hiatrika izany ny CNaPS dia Andriamatoa  Andriantsalama Maraniala izay nampahafantarina tamim-pomba ofisialy ny mpanao gazety omaly.  Efa  manana fandaharan’asa tsara entina hampivoarana ity taranja iray ity eto amintsika io kandida io sy ny CNaPS izay efa diso fantatry ny maro loatra amin’ny fampivoarana ny fanatanjahantena eto amintsika. Ho an’ny fandaharan’asa fohy ezaka,  ohatra, dia nambarany fa hisy ny fananganana tranonkalam-pifandraisana  hahazoan’ny rehetra vaovao mikasika ny taranja tennis rehetra.  Aiza avy no misy ligy, manao ahoana ny tetiandro hanatanterahana ny tournoi, aiza no misy mpanazatra matihanina, raha hisy lalao hotanterahina amina toerana iray inona avy no fepetra tokony ho fantatra, aiza no mbola misy toerana malalaka ? Ho an’ny kaomisiona teknika indray dia hapetraka ny politika nasionalin’ny taranja tennis izay efa misy eran-tany, hitadiavana birao manokana ny federasiona, hodinihina indray miaraka ny tetibola tokony hampiasaina mandritra ny taona ary hapetraka ny fitantanana ny mangarahara. Farany, tsy maintsy hatao izay hahatsanganana ligy roa isan-taona,  hojerena ny fotodrafitrasa hahafahana manatanteraka ny lalao, hohatsaraina ny fiofanana omena ny ankizy…Vonona ny kandidan’ny  CNaPS hiatrika ity fifidianana izay ho filohan’ny federasiona ity.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT