Toekarena

CLD anjaran’Avaradrano Fitaovana no hozaraina fa tsy vola


  • Talata 03 Martsa 2020

Fitaovana no hozaraina fa tsy vola ho an’ny CLD anjaran’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano, raha araka ny fanazavan’ny solombavambahoaka Gerry Randriambolaina.

 

 

 Raha ohatra ka misy mila simenitra, hoy izy dia simenitra no hatolotra, miankina amin’ny filan’ny kaominina tsirairay avy. Tafiditra avokoa ireo karazana sehatra rehetra ka hahafahana mamaly ny filàn’ny mponina toy ny sehatry ny fanabeazana, ny fahasalamam-bahoaka, ny fotodrafitrasa. Ho an’ireo ben’ny tanàna manerana ireo kaominina 16 isa ao Avaradrano dia nomarihiny manokana fa mpiara-miasa sy mety aminy avokoa rehefa mijery ny fampandrosoana ny tanàna tsy an-kijery loko pôlitika. Tsiahivina fa nividianana engin ho an’ity distrika iray ity ny vola azo tamin’ny CLD tamin’ny taona 2018. Ao amin’ny distrika no mipetraka izy io. Ho an’ireo kaominina manana olana amin’ny resaka lalana eny Avaradrano dia afaka mampiasa azy avokoa saingy miantoka solika kosa. Izany no natao dia ho tombontsoan’ny besinimaro, hoy izy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT