Toekarena

Certification ISO 9001 Vitsy ny orinasa manana azy eto Madagasikara


  • Zoma 30 Aogositra 2019

Zava-dehibe loatra ny lafiny kalitao eny anivon’ny orinasa tsirairay amin’izao fotoana.

 

 

 Maro ny mpanjifa tsy afa-po mihitsy rehefa sendra mandalo any amin’ireny birao maro samihafa ireny. Nanambara ny Tale jeneralin’ny Banky BMOI nandritra ny fampahafantarana ny fanavaozana ny certification ISO 9001 fa ambonin’ny zavatra rehetra ny fitadiavana ny fahafaham-pon’ny mpanjifa. Sarotra ary mila ezaka ny fananana ny ISO 9001 ho an’ny orinasa saingy azo izany, hoy izy rehefa tena misy ny finiavana hanatsara ny fandraharahana atao sy ny fitsinjovana ny mpanjifa, indrindra ny eny anivon’ny Banky. Mahasahana zavatra maro tahaka ny varotra iraisam-pirenena, fitantanana ny kaonty, ny fomba fandoavam-bola sy ny maro hafa ity certification ISO 9001 nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina omaly ity.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT