Toekarena

CANAL PLUS Madagascar Manome fihenam-bidy mandritra ny volana desambra


  • Zoma 08 Desambra 2017

Tapa-bolana eo ho eo sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona isika. Hamalifaly ny mpanjifa rehetra amin’izany ny Canal Plus ka misy ny tolotra manokana omen’izy ireo nanomboka omaly Alakamisy 07 desambra ka hatramin’ny 24 desambra ho avy izao.

Nihena ho 10.000 Ar ny vidin’ny décodeur iray ao amin’izy ireo, ho an’ireo olona hanjifa ny  “bouquet Evasion +” raha 15. 000 Ar ny vidiny teo aloha.  Ankoatra izay dia hiantsorahan’ireo  ekipan’ny Canal Plus maimaimpoana ny fametahana ny fitaovana rehetra any an-tokantrano.  Ho an’ireo mampiditra abonnement kosa indray dia hahazo  ireo “chaînes” rehetra misy, izay manodidina ny 160, izy ireny amin’ity volana desambra ity mandritra ny 14 andro.  Handray  mpiasa vaovao maherin’ny 500 ny Canal Plus amin’ny fanatanterahana izany ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Hisy ny fitetezana tokantrano izay horaisin’ireo mpiasa ara-barotra vita fiofanana manokana mihitsy. Hitety tokantrano izy ireo ka hitondra  sy hampahafantatra izao tolotra vaovao izao amin’ireo mpanjifa izay  hanomboka rahampitso sabotsy 9 desambra. Tanjon’ny Canal Plus ny hanomezana asa ny tanora  sy ny hahafahan’ny isan-tokantrano  mahita ireo zava-baovao amin’ny fahitalavitra, toy ireo fandaharana manokana ho an’ny krismasy, ny fandaharana ho an’ny ankizy, ireo andian-tantara sy horonantsary vaovao ary ny hetsika  ara-panatanjahantena. Tsy hijanona amin’ity taona 2017 ity ihany ny hetsika fa hisy ihany koa ny tolotra vaovao omena ny mpanjifa amin’ny taona 2018 ho avy io, raha araka ny fanazavan’Atoa Jean Michel Buboy, tale jeneralin’ny Canal Plus.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT