Toekarena

Call Center Miditra anaty krizy ihany koa


  • Alarobia 08 Aprily 2020

Saika miroso tsikelikely anaty krizy avokoa ireo orinasa misy ankehitriny. Amin’izao fotoana izao dia efa tsy maintsy nirosoana ny fanenana mpiasa amin’ireo orinasa Call Center sasany.

 

 

 

 Nanambara ny mpiasa iray natao fanadihadiana fa mandeha toro izy ireo no miasa nanomboka tamin’ny Alatsinainy lasa teo. Efa tsy misy rahateo ny asa ka izay ihany koa no antony tsy maintsy nandraisan’ireo tompona orinasa fanapahan-kevitra araka ny nambarany. Ho maro indray ireo tanora no tsy maintsy very asa satria iaraha-mahita ny fahamaroan’ireny orinasa Call Center ireny eto amin’ny firenena. Saika hita ao avokoa ireo tanora vao nahazo ny diplôma Bacc no miakatra. Ho mafy ny fifehezana ny krizy arak’asa. Nisy ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Richard Randriamandranto ny amin’ny fanampiana ireo sehatra tena voa mafy saingy mbola tsy voatonona tao aloha ny orinasa Call Center izay mampiasa tanora Malagasy an’arivony. Ireo hotely sy ireo Agence de Voyage ary ireo hafa ny mpisehatra amin’ny fizahantany no hisitraka fanampiana ary efa misy drafitra hoy ny minisitra saingy mbola miandry ny fanohanana.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT