Toekarena

Cacao Malagasy Tanjona ny hanondrana 25 000 taonina hatramin’ny 2025


  • Zoma 08 Aprily 2022

Isan’ireo vokatra mampiavaka an’i Madagasikara ny cacao, ary tsara kalitao ny vokatra Malagasy amin’io sehatra iray io.

Anisan'ny tsara indrindra maneran-tany ny " cacao malagasy", izay hany tokana nahazo ny label 100 isan-jato "fin" manerana an'ny Afrika Subsaharienne. Nampiakatra avo ny lazan’i Madagasikara tamin’ny fifaninana iraisam-pirenena noho ny kalitaon'ny vokatrany ny orinasa mpanamboatra chocolat iray eto Madagasikara izay efa manomboka misandrahaka maneran-tany tahaka ny any Frantsa. Mbola vitsy anefa ny Malagasy tena mahalala sy mahatsapa izany anjara toerana sy hatsaran’ny vokatra Malagasy izany, ka isan’ny hampahafantarana azy ny "4e salon du chocolat et de la gourmandise" tanterahina etsy amin’ny Hotely Carlton Anosy manomboka rahampitso. Ara-toekarena, voalaza fa nahatratra hatrany amin’ny 14 000 taonina ny cacao naondran’i Madagasikara talohan'ny fihibohana vokatry ny fisaian’ny valanaretina coronavirus. Tanjon’ny Komity nasionalin’ny cacao kosa ny hanatratra fanondranana 25.000 taonina hatramin'ny 2025. Tsara ny manamarika, fa i Côte d’Ivoire no voalohany maneran-tany amin’ny famokarana cacao, saingy tsy ambakan’ny any ny antsika raha ny lafiny kalitao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT