mikasika ny tantsoroka ara-ketra
Nampahafantatra ny hetsika amin’ny 18 desambra 2025 amin’ny 7ora sy sasany hariva ao amin’ny Motel Anosy, entina hampahafantarana ireo orinasa ny fitaovana entina manampy azy ireo ny NR Consult, izay manampy ny orinasa na madinika na salantsalany na lehibe amin’ny fandoavana ara-ketra. Hanolotra « Application » ampisaina amin’ny internet, entina hanampiana ny orinasa hoe marina ve ny fanambaran-ketra nataony, inona ny « risque fiscale » misy sy ny fanintsiana azo atao. Rehefa manao fanambaran-ketra dia misy « données » na antontan’isa sy antontan-kevitra ampidriny, ka iny avy eo no mamoaka ny hoe : ity marina, ity mila ahitsy, izay no mety ho olana,… raha ny fanazavana. Tsy eto an-toerana fa any ampitan-dranomasina any amin’ny AWS anatin’ny Vondrona Amazone ny « serveur » izany, ary tsy tafiditra ao raha tsy avy amin’ny « Mot de passe » amin’ny orinasa. Napetraka ny fiarovana noho ny maha saropady ny fiarovana, ka ny orinasa ihany no afaka miditra ao, raha ny fanazavan-dRtoa Nantsoina Rakotozaniny, tompon’andraikitry ny NR Consult. Isan’ny iantsorohan’ny NR Consult ihany koa ny fampidirana ho ara-dalàna na « formalisation » ho an’ny orinasa. Efa ny taona 2018 no nanao ny « formalisation» , ary izy no hany « cabinet fiscale » teto Madagasikara nanao an’izany niaraka tamin’ny Fitantanana ankampoben’ny hetra na ny DGI, raha ny fanazavana. Ny taona 2018, orinasa iray teto Madagasikara misehatra amin’ny lavanila, nanana mpamboly 10 000 teo, tokony ho mbola mandoa 20% amboniny tamin’izany, izay tena volabe, ka teo no nitsirian’ny hevitra tamin’ny tantsoroka momba ny ara-ketra ity mba tsy hananan’ny orinasa sy ny tantsaha olana. Efa nisy soso-kevitra nentina tamin’ny DGI teo aloha, ary isan’ny nandrisika tamin’io tetikasa io izy noho izy manampy ny orinasa Malagasy amin’ny lafiny ara-ketra, raha ny fanazavana. Erak’i Madagasikara, dia mpamboly 15000 no vita « formalisation », ka ny traikefa 7 taona no entina manome vahaolana ny orinasa Malagasy.. « Raha manao « impôts synthétique intermittent » dia DGI no handoavana azy, fa raha «impôt synthétique » dia any amin’ny Faritra ny antsasany, ary any amin’ny Kaominina ny antsasany, izany hoe tonga dia misy fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana eny ifotony ho an’ny mpamboly, izay izy ihany no misitraka zy. Any Ambinaninandravory Kaominina iray any SAVA ohatra, dia nahavita tranompokonolona, misy kaominina nahavita EPP satria avy amin’ny hetra nataon’ny mpamboly nampdirina ho ara-dalàna, dia iny ihany no miverina ho amin’ny fampandrosoana ny Kaominina, hoy ny fanazavana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.