Toekarena

C Fikambanana mpanao asa soa FFAM Ny fiangonana no arofanina tsara indrindra


  • Alakamisy 13 Febroary 2020

Ankoatra ny fanampiana ireo tanora eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena mba tsy hidiran’izy ireny amin’ny lalan-diso mahasolafaka sy mba ho fitaizana azy ireo dia tafiditra ao anatin’ny vinan’asa nijoroan’ny fikambanana mpanao asa soa FFAM (Force féminine d’aide mutuelle)

 

ny fanampiana ny fiangonana. Nilaza ny filoha mpanorina sy mpitarika ny FFAM, Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle na i Mishah fa ny fiangonana dia sehatra iray goavana mitaiza ny tanora ary tena arofanina ho azy ireo mba hananany ho avy mamiratra. Voarakitra anaty baiboly rahateo ny tokony  hanampiana ny mpiara-belona, ny fanaovana asa soa ka rariny raha tohanana ny fiangonana. Araka izany dia nanolotra fitaovana fanatsarana sy hananganana fotodrafitrasa ny FFAM ho fiaraha-mientana sy ho fanampiana. Ny Eglizy Paroasy Katolika Anosizato no nisitraka izany fanampiana ho fanatsarana izany. Nilaza ny tompon’andraikitra ny fiangonana fa mahavelom-bolo ny zavatra tahaka izao satria mitory fitiavana lalina izany eo amin’ny fanatanterahana ny asan’ny Tompo ary tsy tokony ho ketraka amin’ny fanaovantsoa mihitsy araka ny tenin’ny Tompo.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT