Toekarena

Brieville Mitaky ny karamany ireo mpiasan'ny Kraoma


  • Talata 24 Martsa 2020

Mitohy ny krizy eo anivon'ny orinasam-panjaka Kraoma. Nikorontana noho ny fasintahan'ny mpiara-miombon'antoka Rosiana ilay planina fanerenana saika ho hatao izay nahatonga an'ireo mpiasa hitaky ny

 



karaman'izy ireo tsy mbola voaloa tamin'ny zoma lasa teo.
Nametraka fepetra ny hampitsahatra ny asan'izy ireo ny solontenan'ny
mpiasa ao amin'ity Kraoma Brieville ity raha tsy voaloa ao anatin'ny
fotoana fohy ny karama 3 volan'izy ireo mbola tsy voaloha. Narahin'izy
ireo fanindrahindrana sora-baventy teo anoloan'ny foiben'ny orinasa
izany fitakiany izany. Nambaran'ireo mpitantana ny orinasa fa io
fialan'ny mpiara-miombon'antoka Rosiana io no tena fositra amin'ity
olana mianjady amin'ny mpiasa ity ka efa niezaka nandoa ny
karaman'ireo mpiasa volana novambra 2019 sy ny ampahany tamin'ny
volana desambra 2019 ihany izy ireo nefa mbola tsy tafavoaka noho ny
faniliana ny trosan'ny orinasa mitentina 101 miliara ar sy ny
fantiantoka 39 miliara ar noho ny fitantanana nataon'ny mpitantana teo
aloha nandritra ny 4 taona.

Fifampiresahana

Misy ny fifampiresahana hanaovana planina vaovao hanaingana indra
an'ity orinasa niaraka tamin'ireo mpiara-miombon'antoka vaovao ka
hiheverana hamokarana vokatra fasimainty hatrany amin'n 25. 000
taonina ao anatin'ny  3 na 4-bolana ho avy.Notakian'ireo mpiasa tamin'ny minisitera tompon'andraikitra kosa tamin'ny 12 martsa lasa teo ny handoavana ao anatin'ny 48 ora ny
karaman"izy ireo mbola tsy voaloa ka eo am-piandrasana izany dia
nanatanteraka " service minimum" ihany ry zareo mba ho fiarovana ny
tombontsoan'ny orinasa.

Ntsoavina Evariste

Ireo mpiasan'ny Kraoma nitokona

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT