Toekarena

Botoubebe Rosin mpandraharaha ara-lodsia “Efa vonona amin’ny fanondranana izahay”


  • Alakamisy 23 Novambra 2017

Omaly hariva no nisokatra ny taom-piotazana sy taom-panondrana lodsia amin’ity taona 2017 – 2018 ity ho an’ny faritra atsinanana sy ny faritra Analanjirofo.

 

 Efa mameno ireo tontolo ambanivohitra mandresy lahatra ireo mpamokatra ankehitriny ireo mpanangom-bokatra, satria somary vitsy ny lodsia nanaraka ny kalitao fanondrana noho ny orana.

Isan’ireo mpandraharaha Malagasy amin’ny fihariana lodsia tao anatin’ny maro Atoa Botoubebe Rosin, ka mahalala tsara ny olana sy fomba rehetra atao entina mandresy lahatra ireo vahiny mpividy izany any Eoropa, izay nilazany fa “vonona ny hiaro ny fihariana lodsia eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izahay mpandraharaha”; na eo aza ny nambarany fa “nisy faharatsiana ny lodsia tamin’ity taom-pihotazana 2017 ity noho ny fiovan’ny toetr’andro ka nahatara ny orana”. Nohamafisin’Atoa Botoubebe Rosin anefa fa “ao anatin’ny fanarahana ny fenitry ny ‘global-gap’ sy ny fifanarahana amin’ny lanja nifanekena tamin’ireo mpividy ny lodsia malagasy any ivelany izy ireo izao ka tsy atahorana ny tsy hahatrarana ny fatran’ny lodsia tadiavin’ireo mpividy.

 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT