Toekarena

Boriborintany faha-3 Azo hivarotana ireo sisin-dalana malalaka


  • Sabotsy 06 Mey 2017

Mitohy ny asa fanadiovana sy fandaminana eo anivon’ny boriborintany faha-3. Laharam-pahamehana amin’izany ny fanamboaran-dalana sy ny fanatsarana ny tsena fivarotana ao anatin’ireo fokontany 34 mandrafitra ny distrika fahatelo.

Ezaka ankehitriny, ohatra, ny fanomezana endrika vaovao ny tsena «Etal» eny Andravoahangy. Efa tontosa hatrany amin’ny 60% moa ity asa fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny mpitantana ny boriborintany sy ireo mpivarotra eny an-toerana ity. Tsy ampy anefa ny fotodrafitrasa manoloana ny fahantrana lalim-paka mianjady amin’ny mpiara-belona izay mirotsaka mivarotra avokoa, hoy ny delege Andriamamonjisoa Rado. Iaraha-mahalala ihany koa ny fifanenjehana tsy misy fiafarana eo amin’ny polisy monisipaly sy ireo mpiavotra ankalamanjana. Antony nahatonga ny fiadidiana ny boriborintany faha-3 hanome alalana tsy ho ela ny fivarotana amin’ireo sisin-dalana malalaka. Fepetra takiana amin’ireo mpivarotra kosa anefa ny fanadiovana, ny filaminana ary ny fandoavan-ketra ara-dalàna ny faritra ivarotana, araka ny fanampim-panazavan’ity tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny boriborintany faha-3 ity.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT