Toekarena

Boriborintany Antananarivo Renivohitra Efa mampiasa «caisse enregistreuse»


  • Alarobia 19 Jolay 2017

Tanjon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny fampitomboana hatrany ny vola miditra eo anivon’ny Fiadidiana ny tanàna.

Fitaovana mahomby ahatongavana amin’izany ny fanatsarana ny fomba fiasa any amin’ireo sampandraharaha isan-karazany. Fanavaozana lehibe amin’izao fotoana izao, ohatra, ny fampiasana ilay antsoina hoe «caisse enregistreuse» izay nasolo ny fizarana «quittance» nahazatra ny olona teo aloha. Tsy maintsy mandalo eo anatrehan’io fitaovana maoderina io avokoa manomboka izao ny fandoavam-bola rehetra eny anivon’ireo boriborintany enina manerana ny renivohitr’i Madagasikara, hoy ny delege Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel. Hanampy betsaka amin’ny famongorana tanteraka ny kolikoly sakana amin’ny fampandrosoana ny tanàna rahateo ity fitaovana fikirakirana antontan-taratasy vaovao ity, araka ny fanampim-panazavany.

Ramano F. 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT