Hiara-kiasa akaiky manomboka izao ny Banky BNI Madagascar sy ny orinasa Telma amin’ny alalan’ny M Vola.
Miompana betsaka amin’ilay antsoina hoe : “Bank to wallet” na “Wallet to bank” izy io, izay marihina fa mampitambatra ho iray ny kaonty M Vola sy ny kaonty ao amin’ny Banky BNI. Azo hafindra avy hatrany any amin’ny alalan’ny kaonty any amin’ny banky araka izany ny vola ao amin’ny kaonty M Vola raha toraka izay ihany koa ity farany, tsy misy sarany fa maimaim-poana. Tsy vaotery hisahirana hilahatra vola eny amin’ny banky intsony ireo olona mikarama isam-bola manana kaonty any amin’ny banky araka izany fa azony alaina avy hatrany amin’ny M Vola izany, tsy handaniana fotoana, tsy handaniana saran-dalana ary malalaka amin’ny fotoana rehetra. Tanjon’ny roa tonta moa ny hanalana fahasahiranana ny mpanjifa amin’ny lafiny rehetra, fepetra natokana ho an’ireo manana kaonty any amin’ny banky irery ihany. Ho an’ireo naharay volabe amin’ny alalan’ny M Vola kosa dia fantatra fa azon’izy ireo hatao tsara ny mandefa ny volany any amin’ny banky, miankina amin’izay tiany. Tontosa omaly tetsy Analakely ny sonia fifanekem-piaraha-miasa mifandraika amin’izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.