Toekarena

BNI sy ny ITBM Nanofana ireo tompon'andraikitry ny orinasa madinika


  • Talata 11 Aprily 2017

Mba hahafahana mampandroso ny toekarem-pirenena, indrindra manatsara ny fanondranan'entana mankany ivelany dia nanome fiofanana tompon'andraikitra maro eo anivon'ny orinasa madinika ny banky BNI Madagascar sy ny ITBM ( International Board of Madagascar) ny 6 sy ny 7 aprily lasa teo.

  Nivoitra nandritra izany ny fanamafisana ny traikefan'izy ireo. Niompana tamina lohahevitra maro ny fiofanana. Anisan'ireny ny "trade finance", "ny dosier credit bancable" izay samy niarahana tamin'ny banky BNI avokoa. Toraka izany koa ny fifanarahana hifanaovana amin'ireo banky mpampindram-bola izay mbola niarahana tamin'ity banky iray ity ihany. Nambaran'ny sekretera jeneralin'ny ITBM Andriamatoa Tahiana Rajaonarimanana fa tena mamaly ny filan'ireo orinasa madinika eto amintsika tokoa ny fiofanana tahaka izao hahafahan'izy ireo mampiroborobo ny asa fandraharahana sahaniny. Nambaran'i Ndriana Ralaimanisa, tompon'andraikitry ny serasera eo anivon'ity banky iray ity fa vonona hatrany ny BNI hanohana ny mpanjifany tahaka izao ho tombontsoan'ny rehetra. Mbola hanome fiofanana ireo mpandraharaha any amin'ny faritra Atsinanana ny baky BNI amin'ny volana mey ho avy izao hiarahana amin'ny tranoben'ny varotra ao Toamasina.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT